close
Hankany amin'ny vontoatiny

Wikipedia:Fandraisana

Avy amin'i Wikipedia
Tonga soa eto amin’i Wikipedia
ny raki-pahalalana malalaka azon’ny tsirairay ovaina
Lahatsoratra 103 660 amin’ny teny malagasy

BERJAYA Lahatsoratra notsongaina ho an’ity volana ity

I Mahajanga na Majunga, dia tanàna misy seranan-tsambo any amin' ny morontsiraka avaratra-andrefan' i Madagasikara, eo amin' ny vavaranon' i Betsiboka ny misy azy. Izy no renivohitry Faritra Boeny sy ny Faritanin' i Mahajanga. 550 km any avaratra-andrefan' Antananarivo no misy azy. Mahajanga dia nisy mponina 246 022 tamin' ny taona 2018 ary tanàna fahefatra lehibe indrindra eto Madagasikara, aorian' Antananarivo sy Toamasina ary Antsirabe[1].

Renivohitry ny Sakalavan' i Boeny ny tanànan' i Mahajanga. Ny mpanjaka Andriamisara Efadahy no mpanjaka sakalava farany talohan' ny natongavan-dRadama I mpanjakan' Imerina.

Ny anaran' i Mahajanga

BERJAYA
Lapan' ny tananan' i Mahajanga

I Mahajanga dia antsoina hoe Mojanga na Majunga koa.

Ny anarana hoe Mahajanga dia midika hoe "mahasitrana", araka ny lovantsofina. Nisy mpanjaka nitady fanafody hanasitranana ny zanany ka nitety ny Nosy, ary rehefa tonga tany Mijangaïa ("Tanànan' ny Voninkazo", ny anarany taloha) izy, dia nilaza hoe: Mahajanga ity tananà ity, ary dia raikitra ilay anarana. Misy koa ny milaza fa ny anaran' ilay tanàna dia avy amin' ny anarana voninkazo iray, antsoina hoe angaya, nentin' ny Arabo tamin' ny taonjato faha-15[2].

(tohiny)


BERJAYA Lahatsoratra tsara vakiana

BERJAYA
Betsileo miresadresaka

Ny Betsileo dia vondrom-poko lehibe eto Madagasikara, ao amin'ny toerana voafaritry ny ony Mania ao avaratra, ny tanin' ny Tanala ao atsinanana, ny tendrombohitr' Andringitra ao atsimo, ary ny tandavan-tendrombohitr' i Bongolava ao andrefana, izany hoe ao amin'ny Faritanin'i Fianarantsoa. Ireto ny tanàna lehibe ao amin'ny tanin'ny Betsileo: Ambositra, Ambohimahazo, Ambohinamboarina, Fianarantsoa, Ambohimahasoa ary Ambalavao.

Ny fanjakana betsileo samihafa (Betafo, Fandriana, Fisakana, Manandriana, Isandra, sns) dia tsy nifampiankina, ary nanana ny lovantsofiny nanomboka tamin'ny taonjato faha-17. Nisy fifanarahana tamin'ny fanjakana Merina tamin'ny andron'i Andrianampoinimerina. Noravain'i [3]Radama I izay nandova fitondrana. Notafihin-dRadama I izy ireo izay niafara tamin'ny famonoana tao akaikin'Ambalavao, izay tany masina amin'ny Betsileo satria tsy nanaiky ho resy na babo izy ireo fa namono tena. Nisy ampahany amin' ny Betsileo voatery nifindra monina na lasa nanompo ireo izay nandresy azy. Ny Betsileo amin' ny maha-vondrom-poko azy dia nanomboka tamin'ny taonjato faha-19 ho fizarazarana ara-pitantanan'ny governemanta malagasy.

(tohiny)

BERJAYA Sarin’ny anio

BERJAYA


BERJAYA Ny vaovao


Azontsika tsirairay atao ny mametraka ny vaovao tsy mitongilana ary tsy mandainga eto

Indreto kosa ny tahiry: * Mey 2026 * Avrily 2026 * Marsa 2026 * Tahiry 2026 * Teo aloha


BERJAYA Efemerida

Androany 2 jolay:

  • 1976 - Natambatra ho firenena iray amin'ny fomba ofisialy i Vietnam herintaona taorian'ny ady, nolevonina tamin'izany moa i Vietnam atsimo.

Pejy rehetra 

Sokajy 

BERJAYA 

BERJAYA 

BERJAYA 

Filozofia 

Matematika 

Kolontsaina malagasy 

Ekolojia 

Teknolojia 

Simia 


  1. "Troisième Recensement Général de la Population et de l’Habitation (RGPH-3)" [Arsiva], Institut National de la Statistique Madagascar.
  2. "Majunga : histoire et traditions", Hôtel Restaurant Coco Lodge Majunga
  3. Lovan-tsofina Betsileo
  4. https://newsmada.com/2026/07/02/fampiasana-ny-teny-malagasy-tsara-ny-dingana-fa-mila-fampiharana/