close
Hankany amin'ny vontoatiny

Betsiboka (ony)

Avy amin'i Wikipedia
BERJAYA
Ny faritra misy an ' i Betsiboka eo amin ' ny saritanin ' I Madagasikara

Betsiboka dia ony any amin' ny tapany avaratr' i Madagasikara, mivarina any amin' ny Lakandranon' i Môzambika any Mahajanga ao amin' ny vavaranon' i Bombetoka. Misongadina izy noho ny lokondranony mena, vokatry ny fiangonanan' ny potika vatolampy miloko mena voasary .Ny toerana misy ny ony Betsiboka eto Madagasikara.Misy fitrangana fikao-tany tsikaritra any amin' ny faritra avaratra-andrefana amin' i Madagasikara, vokatry ny fanapahana ny hazo any an' ala hahampitomboana ny tany fambolena sy ho an' ny fiompiana nandritra ny 50 taona lasa. Ny ony Betsiboka dia azon' ny sambo handehanana ary mahazaka hatramin' ny 20 taonina hatrany Ambato-Boeny.

Fiandohana sy velaran’ny sahan-dranon’i Betsiboka

[hanova | hanova ny fango]

Ny ony Betsiboka dia miforona avy amin’ny fihaonan’ny renirano Jabo sy Amparihibe, izay samy avy any amin’ny faritra avaratr’Antananarivo. Ny Jabo dia voalaza fa miandoha any amin’ny tendrombohitra Iangana, amin’ny haavo manodidina ny 1 550 metatra. Raha refesina avy amin’ny loharanon’i Jabo ka hatrany an-dranomasina, dia manodidina ny 531 km ny halavan’ny Betsiboka; ary mety hahatratra 605 km izany raha isaina avy amin’ny loharanon’ny Mananara. Mandrakotra velarana eo amin’ny 49 000 km² eo ho eo ny sahan-dranony, tsy anisan’izany ny faritra ambonin’ny Mahajamba[1].[2]

Fifandraisana amin’ny Ikopa sy Kamoro

[hanova | hanova ny fango]

Anisan’ny sampan-drano lehibe mifandray amin’ny Betsiboka ny Ikopa. Ny fihaonan’ny Ikopa sy Betsiboka dia ao anatin’ny faritra mando sy honahona, ka miovaova matetika ny fandrian’ny renirano. Eo amin’i Ambato-Boeny kosa no ihaonan’ny Betsiboka amin’ny Kamoro eo amin’ny morony ankavanana. Ity fifandraisan’ny Betsiboka, Ikopa ary Kamoro ity no mahatonga ny rafitra Betsiboka–Mahajamba ho iray amin’ireo sahan-drano lehibe indrindra eto Madagasikara[3].

Ny antsanga sy ny fiovan’ny vavaranon’i Bombetoka

[hanova | hanova ny fango]
BERJAYA
Bombetoka

Rehefa manakaiky an’i Mahajanga ny Betsiboka dia mamorona antsanga lehibe ao anatin’ny ala honko matevina, indrindra eo amin’ny faritra Marovoay sy Bombetoka. Araka ny fanazavan’ny NASA, dia efa mameno ampahany lehibe amin’ny vavaranon’i Bombetoka ny antsaga ankehitriny, ary tombanana ho manodidina ny 35 km ny halavany taorian’ny firoboroboan’ny fitateran’ny renirano potika tany nandritra ny am-polony taona maro[4]

Ny fiangonan’ny fasika sy fotaka entin’ny Betsiboka dia nahatonga nosy kely sy sisin-tany vaovao hiforona ao amin’ny vavaranon’i Bombetoka. Misy amin’ireo nosy vaovao ireo no efa rakotra zavamaniry sy ala honko, ka manova tsikelikely ny endriky ny helodrano sy ny lalana ikorianan’ny rano mankany amin’ny Lakandranon’i Mozambika.

Ala honko sy zava-mananaina

[hanova | hanova ny fango]
BERJAYA
Tetezan' i Betsiboka eo amin' ny lalam-pirenena faha-4

Ao amin’ny vavaranon’i Bombetoka sy ny morony dia betsaka ny ala honko, izay anisan’ny lehibe sy manan-danja eto Madagasikara. Ireo ala honko ireo dia miaro ny morontsiraka, mitazona ny potika tany entin’ny renirano, ary manome fonenana ho an’ny biby anaty rano sy amoron-dranomasina, toy ny sokatra an-dranomasina, vorona, hazandrano, makamba, foza ary dugong.

BERJAYA
Ala honko ( Mangrove)

Ankoatra izany, ny vavaranon’i Betsiboka dia manan-danja amin’ny tontolo iainana satria mamelona karazam-biby maromaro. Voalaza ao amin’ny NASA fa manampy amin’ny famatsiana sakafo ho an’ny sokatra maitso sy ny dugong ny faritra estuarienne ao amin’ny antsangan ' i Betsiboka, na dia misy aza ny olana ateraky ny fitohanana sy ny fiangonan’ny fotaka[5]

Trondro miavaka ao amin’ny sahan-dranon’i Betsiboka

[hanova | hanova ny fango]

Misy karazan-trondro manokana hita ao amin’ny sahan-dranon’i Betsiboka, anisan’izany ny" Paretroplus" tsimoly, karazana trondro "cichlidé' malagasy. Ity trondro ity dia monina amin’ny rano mikoriana misy lavadrano madinika, vato ary vatokely, ary sokajian’ny" IUCN" ho atahorana ho lany tamingana.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]
  1. horizon.documentation.Ird
  2. Hadisoan-tsiahy: La balise ouvrante <ref> est mal formée ou a un mauvais nom.
  3. horizon.documentation.ird.fr
  4. science.nasa.gov
  5. Science.nasa.gov