Rasalimo
| Rasalimo | ||
| Ankapobeny | ||
| Anarana | Rasalimo | |
| Teraka | Tsy fantatra | |
| Toerana | Menabe | |
| Fiaviana sy ny andraikitra | ||
| Firenena | Madagasikara | |
| Asa : | Mpanjaka vavy | |
| Fiainana manokana | ||
Rasalimo dia andriambavy tao amin' ny Fanjakan' i Menabe, zana-dRamitraho mpajakan' i Menabe, izay natolotra an-dRadama I mba hisian' ny fihavanana eo amin' ny fanjakana roa tonta.
Ny mombamomba azy
[hanova | hanova ny fango]firazanany
[hanova | hanova ny fango]Rasalimo dia taranaky ny mpanorina ny fanjakana sakalava (Andriamandazoala tany amin' ny faritr' i Fiherenana sy Andriamisara tany Menabe ary Andriamandisoarivo tany Boina).
Ny fiainam-pianakaviany
[hanova | hanova ny fango]Nandritra ny fandefasana tafika faharoa notarihin-dRadama I , tamin'ny taona 1822, tao Menabe dia nanolo-tena hanambady ny mpanjaka merina Radama I ny andriambavy Rasalimo, mba hanamafy ny fihavanan' ny fanjakana roa. Niaina nandritra ny taona iray tao Bondrony izay novana ho Tsiroanomandidy.[1] Tamin'ny taona 1824 no nifindra tany Imerina ny andriambavy Rasalimo.[1]Izy ihany no nanajanaka tamin'ireo vady maro nananan'ny mpanjaka Radama, ny zanany voalohany dia nisy namono teo amin'ny faha telo volany.[2]Nanan-janaka izy mivady, dia Itsimandriambovoka sy Razafinimanjaka Raketaka ary Rabobalahy, izay nosakanan' ny fikomiana tao an-dapa tsy hanjaka tao Antananarivo.
