close
Hankany amin'ny vontoatiny

Kitro

Avy amin'i Wikipedia
BERJAYA
Kitron-tsoavaly

Ny kitro dia fonon-drantsan-tongotra mafy eny amin' ny biby mampinono sasany, izay rakofan' ny sarona keratinina matevina toy ny hamafin' ny tandroka sy hamafisiny, izay ahafahany mandeha amin' ny vato. Ny Artiodactyla dia manana rantsan-tongotra ankasa, karazam-biby manana rantsan-tongotra ankasa; ny biby mandinika manana rantsan-tongotra roa no betsaka indrindra, ohatra: ny jirafa, ny serfa (na diera), ny bizôna, ny omby, ny osy, ny gazela, ny kisoa ary ny ondry.

Ny tongotry ny biby mampinono Perissodactyla dia manana rantsan-tongotra tsy ankasa, ohatra. ny soavaly sy ny tokantandroka ary ny tapira. Na dia firafitry ny rantsambatana izay hita indrindra amin' ny biby mampinono misy tavony aza ny kitro, ny Hadrosauridae toa ny Edmontosaurus dia nanana rantsan-tongotra misy kitro. Nanana kitro koa ny Chaeropus (Marsupialia).