Korian-drotsa-drano

Ny korian-drotsa-drano dia ny fikorianan' ny ranon' orana na ranon' oram-panala eo amin' ny vohon' ny tany, mifanohitra amin' ny rano mitsika any anaty tany. Raha orana no manome ny rano dia korian-dranon' orana izany fa raha oram-panala kosa dia korian-dranon' oram-panala. Mampitombo ny fikorianan' ny rano ny hamafin' ny rotsa-drano (rotsak' orana, rotsak' oram-panala) izay mifandanja koa amin' ny tsy fahampian' ny fitsihana amin' ny tany sy ny fahafahan' ny vohon' ny tany mihazona rano.
Mitarika ho amin' ny fiforonan' ny jorefo (rano mihandrona vetivety) ny tsy fahatantera-dranon' ny tany, avy eo amin' ny fisehon' ny korian-drotsa-drano, izay mety hitondra sombin-tany na poti-javatra, ka miteraka fikao-tany izay mitranga rehefa iantefan' ny patrak' orana (fikao-tany vokatry ny fideboka sy ny fitomboan' ny fota-mivaingana, izay mihena noho ny fikojakojana ny tany fambolena) vokatry ny korian-drotsa-drano miparitaka be (fikao-tany vokatry ny koriana) na ny korian-drotsa-drano mifanatna (fiforonan' ny hadin-driaka sy lalan-driaka).
Ahitana korian-drotsak' orana lehibe dia lehibe ny faritra trôpikaly amin' ny ankapobeny. Mamerina ny 15 % amin' ny rano rehetra mankany amin' ny ranomasimbe maneran-tany ny ony Amazôna, fa ny 33 % amin' ny korian-dranon' ny renirano manerana an' i Afrika kosa dia sahanin' ny faritanin-dranon' i Congo. Tsy misy afa-tsy 2 % amin' ny fikorian' izy ireo ny faritra maina sy somary maina, izay mandrafitra ny 40 % amin' ny tanin' izao tontolo izao.
