Tongolobe

Ny tongolobe na tongolo dia karazana zavamaniry misy voniny, maharitra roa taona na mandavan-taona, ao amin' ny fianakaviana Amaryllidaceae (fanasokajiana APG III tamin' ny taona 2009) na Liliaceae (fanasokajiana taloha). Allium cepa ny anarany ara-tsiansa. Efa hatry ny ela izy io no nambolena be dia be hatao anana noho ny vodiny manana tsiro sy fofona mahery na noho ny raviny. Io no legioma tena be mpampiasa indrindra amin' ny sokajy Allium. Fitambaran' ny foto-dravina matevina mifanarona ny vody tongolo.
Ny Allium cepa dia fantatra noho ny fambolena azy. Tsy fantatra ny endriky ny razambeny tany am-boalohany, na dia efa nisy aza ny faniriany ivelan' ny fambolena any amin' ny faritra sasany. Na maniry roa taona na mandavan-taona aza ny tongolobe matetika, dia matetika no raisina ho maniry isan-taona ary jinjaina amin' ny vanim-potoanan' ny fambolena voalohany.
Famariparitana
[hanova | hanova ny fango]Ankapobeny
[hanova | hanova ny fango]
Ny tongolobe dia ahitra, maniry mihoatra ny roa taona noho ny fananany an' ilay vodiny tokana, nefa ambolena isan-taona na isaky ny roa taona (mamony izy amin' ny faha roa taonany). Mahatratra 60 hatramin' ny 100 sm ny haavony.
Raviny
[hanova | hanova ny fango]Maitso ny ravin' ny tongolobe sady miendrika varingarina ary poakaty (izay manavaka an' io karazana io amin' ny tongoloherana sy ny tongologasy, karazana hafa ao amin' ny vondron-karazana Allium ihany koa).
Voniny
[hanova | hanova ny fango]

Kely ny vonin' ny tongolobe (4 ka hatramin' ny 5 mm ny sakany) sady fotsy na maitso, ary mivondrona anaty ombela boribory eo amin' ny tendron' ny taho. Misy voniny 600 eo ho eo isaky ny ombela. Maneho fifanandrifiana telolafy ny vony: misy ravimbony telo sy felambony telo ary lahimbony enina. Mizara ho efitra telo ny fihary atodinaina tokana. Amin' ny ovan-karazany sasany, dia vodikely no mipoitra indraindray fa tsy vony. Poakaty ny tahom-bony mahitsy, na dia matevina kokoa aza raha mitaha amin' ny raviny; mihamivohitra izy io raha manakaiky ny fotony.
Voany
[hanova | hanova ny fango]
Kapsily izay misokatra amin' ny valva telo ny voan' ny tongolobe, ary amin' ny ankapobeny dia mamoaka vihim-boa roa avy. Mainty sy misy zorony ny vihim-boa. Misy vihim-boa 250 eo ho eo isaky ny grama. Fohy ny faharetan' ny fahafahana mitsimoka tsara: roa hatramin' ny telo taona.
Vodiny
[hanova | hanova ny fango]
Somary lehibe ny vody tongolo izay miendrika atody, boribory na fisaka, manana fonony ivelany toa elabakaka ary miloko fotsy na mavo na mavokely na mena na volomparasy.
Fampiasana
[hanova | hanova ny fango]Fitsaboana sy fahasalamana
[hanova | hanova ny fango]Fitsaboana aretina isan-karazany
[hanova | hanova ny fango]Izao ny vokatry ny fanadihadiana etnôbôtanika nataon' i Françoise sy i Grégoire Nicollier tany Bagnes (Frantsa) ary navoaka tamin' ny taona 1984: ny ranon' ny tongolobe dia nampiasaina amin' ny hoditra mba hitsaboana ny fanindronan' ny tantely, raha afangaro amin' ny siramamy izy dia atao fanafody hanamaivana ny kohaka, ary raha afangaro amin' ny menaka mahamay dia manasitrana ny aretin-tsofina.
Mitsabo ny tsy fahampian' ny vitaminina sasany
[hanova | hanova ny fango]Satria mora kokoa ny mitahiry ny tongolobe raha mitaha amin' ny voankazo maro be vitaminina C, dia nampiasain' ny tantsambo hiadiana amin' ny aretin' ny tsy fahampian' ny vitaminina C. Ny vitaminina hafa hita ao amin' ny tongolobe dia ny vitaminina B1, B2, B3 (na PP), B5, A, ary E.
Anamaivanana ny diabeta
[hanova | hanova ny fango]Ny fihinanana tongolobe dia mampidina ny tahan' ny kôlesterôla sy siramamy (mampihena ny tahan' ny glisemia). Ny singa miasa tompon' andraikitra amin' izany dia heverina fa ny disolfioran' ny alila prôpila sy ny difenilamina.
Iadiana amin' ny bakteria sy ny holatra
[hanova | hanova ny fango]Mety azo ampiasaina ho antibiôtika sy hamonoana holatra bitika izy noho ny singa mora mietona amin' ny ranon' ny vody tongolo.
Fanapoizinana
[hanova | hanova ny fango]Fanapoizinana mahazo ny olombelona
[hanova | hanova ny fango]Raha hanina be dia be ny tongolobe dia mety hanorisory ny hodimando ao amin' ny vavony noho ny fisian' ny singa misy solifara ao aminy. Ny olona mora tohina aminy dia mety hahatsapa fahamaizan' ny vavony na tsy fatomombanan' ny fandevonan-kanina, indrindra fa ho an' ireo izay manana ileôstômia sy ny ankizy tratran' ny trizômia 21.
Fanapoizinana mahazo ny biby fiompy
[hanova | hanova ny fango]Ankoatra izany, ny tongolobe sy ny faikany dia ampiasaina amin' ny sakafom-biby. Any amin' ny faritra mpamokatra tongolobe (ohatra, California), ny vodi-tongolo tsy ilaina sy ny fakany nariana, toy ny hodiny, na ny vodiny tsy niy nividy aza, dia mahatratra hatramin' ny 20 % amin' ny habetsahan' ny vokatra ary avy eo omena ho an' ny biby fiompy. Na izany aza, ny fihinanana tongolobe efa bobongolo, na tongolobe mitsimoka, na betsaka loatra na dia salama tsara aza, dia mety hiteraka fanapoizinana amin' ny alalan' ny fahasimban' ny liomena, izay indraindray mahafaty ny biby fiompy: ny omby sy ny soavaly, amin' ny ampahany kely ny ondry sy ny osy, ary ny gisa sy ny alika ary ny saka rehefa mahazo sakafo misy tongolobe tafahoatra.
Ny tatitra voalohany momba an' io antom-pahafatesana io dia efa tamin' ny taona 1909. Anisan' ny soritr' aretina eo amin' ny biby ny famindra miadana sy miraingiraingy, ny tsy fahazotoan-komana, ny fihenan' ny famerenana mitsako, ary ny fiovan' ny ra ho somary vony amin' ny hodimaso anatiny. Ny biby voapoizina ka mamo dia mampiseho anemia hemôlitika miaraka amin' ny fihenan' ny hematôkrita, ny famaniana ra (hemôglôbinoria), ary ny fiforonan' ny vatana Heinz ao amin' ny liomena.
Ny singa tompon' andraikitra amin' izany dia mety ho ny disolfioran' alila sy prôpila izay mety miforona avy amin' ny solfôksida S-alkilsisteinina izay hita ao amin' ny vody tongolo vaovao.
