close
Hankany amin'ny vontoatiny

Serfa

Avy amin'i Wikipedia
BERJAYA
Serfa na diera

Ny serfa na diera (Cervidae) dia fianakaviam-biby misy nono, mandinika, manana rantsan-tongotra tsiroaroa isan-tongotra. Anisan' izany ny serfa mena na diera mena (Cervus elaphus), ny kapreôlo (Capreolus capreolus), ny karibo (Rangifer tarandus), ny ôrinaly (Alces alces) ary ny dama eorôpeana (Dama dama), ary koa ireo karazana tsy dia fantatra toy ny podo (Pudu) sy ny dieran-drano (Hydropotes inermis).

BERJAYA
Diera mena
BERJAYA
Kapreôlo

Ny mampiavaka ny serfa dia izy manana tandroka misampana, taova misy taolana mety mihintsana eo amin'ny lohan'ny lahy. Na izany aza, misy ny vitsivitsy maningana: amin' ny karibo dia samy manana tandroka ny lahy sy ny vavy; amin' ny karazana sasany dia tsy misy ny tandroka toy ny an' ny dieran-drano, na tandroka mitranga kely toy ny an' ny podo sy ny an' ny mazama (Mazama).

Mihintsana isan-taona ny tandroky ny serfa.

BERJAYA
Karibo

Ny serfa no biby dia mandinika lehibe farany any amin' ny faritra manana toetrandro antonony. Manerana izao tontolo izao dia misy karazany efatra amby efapolo voatsinjara ho genera fito ambin' ny folo.

BERJAYA
Ôrinaly

Ny serfa mahazatra indrindra any amin' ny alan' i Eorôpa dia ny serfa mena (Cervus elaphus), ny kapreôlo (Capreolus capreolus) ary ny dama eorôpeana (Dama dama). Any Skandinavia dia misy koa ny karibo (Rangifer tarandus) sy ny ôrinaly (Alces alces), izay hita any Eorôpa Afovoany. Ny karazana hafa dia efa namboarina hahatanty toetrandro tany Eorôpa ary hita any indraindray, toy ny serfa sika (Cervus nippon).

BERJAYA
Dama eorôpeana
BERJAYA
Podo
BERJAYA
Dieran-drano
BERJAYA
Mazama

Ny haben' ny serfa dia miovaova ka misy ny mitovy amin' ny an' ny bitro (ny an' ny podo), misyny mitovy amin' ny an' ny soavaly lehibe (ny ôrinaly), misy ny anelanelan’ izay.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]

Jereo Koa

[hanova | hanova ny fango]