close
Hankany amin'ny vontoatiny

Musophagidae

Avy amin'i Wikipedia
BERJAYA
Tauraco erythrolophus

Ny Musophagidae dia fianakaviam-borona izay hany ao amin' ny filaharana Musophagiformes.

BERJAYA
Corythaeola cristata

Izy ireo dia vorona miaina ambony hazo, somary fonetana, antonony ny helehibeny (40 ka hatramin' ny 75 sm), manana rambo somary lava sy elatra fohy sy boribory.

BERJAYA
Tauraco persa

Matetika ny lohan' izy ireo dia voaravaka sanga miloko marevaka. Ny volony malefaka dia manjelanjelatra be amin' ny ankapobeny, ary matetika maitso mavana na manga. Raha misokatra ny elany dia mampiseho marika mena lehibe.

BERJAYA
Crinifer zonurus
BERJAYA
Gallirex johnstoni

Hita ao Afrika atsimon' i Sahara ny karazam-borona ao amin' ny Musophagidae. Matetika any anaty ala sy any amin' ny fatrana. Ny Musophagidae dia mihinana voankazo, voan' ny ahitra ao amin' ny vondron-karazana Plantago, ary bibikely sasany.

Lisitry ny vondron-karazana sy ny karazana

[hanova | hanova ny fango]
BERJAYA
Menelikornis leucotis

Araka ny fanasokajiana filamatra (versiôna 14.2, 2024) an' ny International Ornithologists' Union, ny vondron-karazana mandrafitra an' io fianakaviana io dia ireto:


  • Corythaeola Heine, 1860 (karazana 1)
  • Crinifer Jarocki, 1821 (karazana 5)
  • Gallirex Blyth, 1852 (karazana 2)
  • Menelikornis Boetticher, 1947 (karazana 2)
  • Tauraco Kluk, 1779 (karazana 13)

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]