close
Hankany amin'ny vontoatiny

Gallus

Avy amin'i Wikipedia
BERJAYA
Ny lahy efatra amin' ny karazana Gallus. Manaraka ny fihodin' ny famantaranandro, manomboka amin' ny ambony ankavia: Gallus gallus, Gallus lafayettii, Gallus varius, ary Gallus sonneratii.

Ny Gallus dia vondron-karazam-borona ao amin' ny fianakaviana Phasianidae, ao amin' ny filaharana Galliformes. Tafiditra ao anatin' izany ny Gallus gallus, karazana iray izay ahitana ny zana-karazana Gallus gallus domesticus, izany hoe ny akoho fiompiana. Tsy mifidy zavatra hohanina ny karazana ao amin' ny Gallus: ravin-javamaniry isan-karazany, zavamaniry, biby tsy misy hazon-damosina toy ny sifotra sy ny bibikely, ary indraindray totozy kely sy sahona. Vorona lehibe izy ireo, misy volony miloko mareva ny lahy, nefa sarotra hita izy ireo ao amin' ny zavamaniry mikitroka onenany.

BERJAYA
Vavin' ny Gallus gallus
BERJAYA
Vavin' ny Gallus lafayetii

Toy ny amin' ny vorona maro ao amin' ny fianakaviana Phasianidae, ny lahy dia tsy mandray anjara amin' ny fikotrehana atody na ny fitaizana ny zanany vao teraka. Ireo adidy ireo dia ataon' ny vavy izay manana volo vasoka kokoa sy afaka miafina kokoa. Ny vavy sy ny lahy dia tsy mamorona fatora-mpivady.

BERJAYA
Vavin' ny Gallus sonneratii
BERJAYA
Vavin' ny Gallus varius

Araka ny fanasokajiana nataon' ny International Ornithological Congress (versiona 15.1, 2025), ny vondron-karazana Gallus dia mizara ho karazana efatra:

  • Gallus varius (Shaw, 1798)
  • Gallus gallus (Linnaeus, 1758)
    • Gallus gallus murghi Robinson & Kloss, 1920
    • Gallus gallus spadiceus Bonnaterre, 1792
    • Gallus gallus jabouillei Delacour & Kinnear, 1928
    • Gallus gallus gallus Linnaeus, 1758
    • Gallus gallus bankiva Temminck, 1813
  • Gallus sonneratii Temminck, 1813
  • Gallus lafayettii Lesson, RP, 1831

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]